
Goavana ny fikarohana tahaka itony ! Anisan’ny nanaovan-dRakotoarisoa Jean de Dieu fikarohana lehibe ny momba ny hasoan’ny teny malagasy. Hampahafantarina eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza izany ny alakamisy 7 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ny zanaka vavin’ity andrarezin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny teny malagasy ity, Rtoa Razafindralambo Herizo Marie Ange, no hitondra ny velakevitra momba izay hasoan’ny teny malagasy izay, araka ny fikarohana nataon-dRakotoarisoa Jean de Dieu.
Amin’ny ankapobeny, hizara telo ny zotram-pamintinana ataon-dRazafindralambo Herizo amin’io fotoana io. Tapany voalohany hanehoany fa manan-karena ny teny malagasy. Miainga avy amin’ny fanadihadiana sy ohatra eo amin’ny lafiny fiteny sy eo amin’ny lafiny voambolana. Anisan’ny mahasoa ny teny malagasy ny fahatsorana ananany eo amin’ny seha-piforonana. Tapany fahatelo, hanehoany izay ho fivoaran’ny teny malagasy.
Tamin’ny tafa fohy nifanaovana tamin-dRazafindralambo Herizo Marie Ange no nilazany fa « raha ny fandrosoana no resahina, aminay, tsy misy afa-tsy ny fandraisana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra no hany vahaolana… Raha mitohy ireo ezaka ataon’ny ivontoerana misahana ny fampiroboroboana ny teny malagasy, azo lazaina fa hiaina tsy ho ela ny anjara masoandrony ny teny malagasy ».
HaRy Razafindrakoto