Ny alarobia 13 avrily no nindaosin’ny fahafatesana Rahaingoson Henri. Notanterahina omaly alahady teny Betafo Ambohimangakely, ny fandevenana ny nofo mangatsiakany rehefa avy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny katedraly FJKM Analakely. « Mandria am-piadanana fa todinao ny DI… », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Havatsa-Upem, fikambanana anisan’ny nanovo soa goavana tamin’i DI… Iza moa ity andrarezin’ny soratra sy ny fanabeazana ity ?
Anarana sy fanampinanarana : Rahaingoson Henri
Teraka tamin’ny : 26 novambra 1938, teto Antananarivo
Manambady sy manan-janaka dimy
Diplaoma sy fianarana nolalovany
Taona 1959 – Bakalorea « Filozofia », Antananarivo
1964 – Bakalorea (Droit), oniversite Madagasikara
1967 – Licence de lettres modernes, oniversite Madagasikara
1971 – Maîtrise de lettre modernes, oniversite Madagasikara
1973 – Licence d’histoire, oniversite Madagasikara
1977 – Diplôme universitaire de sociologie, oniversite Madagasikara
1981 – Diplôme d’études approfondies (DEA) en sciences de l’information et de la
communication, oniversiten’i Bordeaux III, Frantsa.
Asa niandraiketany
– Mpampianatra tao amin’ny lycée Galliéni sy lycée d’Antsirabe : Cours de lettres et Littérature françaises; Lettres et littérature malgaches (1967-1973 )
– Mpandrindra jeneralin’ny Bureau d’études des programmes et de l’organe technique d’élaboration des programmes, minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (BEP/Otep) (1973-1976)
– Mpampianatra mpikaroka teo anivon’ny Département d’études françaises, oniversiten’i Madagasikara sy tao amin’ny Ecole normale du niveau 3 (EN III) : Cours d’initiation aux études littéraires et cours d’initiation à la théorie et à la pratique de la traduction (1977-1979)
– Talen’ny fikarohana sy fanapariahana teo anivon’ny Centre de recherches sur les traditions
orales et les langues nationales africaines ao Afrika Atsinanana (Eacrotanal), Zanzibar,
Tanzanie (1979-1986 )
– Tale mpanatanteraky ny Eacrotanal (Zanzibar, Tanzanie) (1986-1994)
– Mpampianatra mpikaroka teo anivon’ny :
* Departemantan’ny Etudes françaises: Oniversite Antananarivo : – Cours d’initiation
à la traduction malagasy-Frantsay (1991-2012) – Cours d’initiation aux arts
dramatiques (2010-2013)
* Departemantan’ny sosiolojia : oniversiten’Antananarivo : Initiation à la
sociolinguistique (fampianarana tamin’ny teny malagasy) (1995-2012)
* Sekoly ambony momba ny ita aman-tsera (Samis-Esic) : « Théorie et pratique de la traduction » ( Malagasy / Frantsay / Anglisy)
Nisahana andraikitra maro tany ivelany ihany koa Rahaingoson Henri :
– Expert-consultant teo anivon’ny l’Unesco, Paris
– Expert-consultant teo anivon’ny l’OUA, sy Union africaine Addis Abeba, Ethiopie
– Expert-consultant tao amin’ny Agence de coopération culturelle et technique (ACCT), Paris: Interface culturelle de la francophonie
– Mpikambana tao amin’ny Conseil international pour la recherche en linguistique fondamentale et appliquée (Cirelfa), Commission spécialisée de l’Acct. – Francophonie
– Mpikambana tao amin’ny Comité d’experts pour le fonds international pour le développement des langues et civilisations africaines (Fidelca) –Francophonie
– Consultant teo anivon’ny Agence internationale de la francophonie (Alif) sy Expert-mpikambana tao amin’ny Réseau international des langues africaines et créoles (Rilac) de l’AIF. -Francophonie
Andraikitra hafa niantsorohany
– Mpikambana mpanorina ny Association générale des étudiants de Madagascar (Agem) 1959
– Filohan’ny Association générale des étudiants de Madagascar (1961-1962)
– Filohan’ny Fédération des associations d’étudiants de Madagascar (1963-1964)
– Filohan’ny Mpianatra kristianina malagasy – (Mpikrima 1966-1969)
– Mpanolontsaina teo anivon’ny Farimbon’asan’ny tanora protestanta (1967 -1970)
– Filohan’ny Conseil national de la jeunesse de Madagascar (Fifitama) (1967-1970)
– Filohan’ny birao mpanatanteraky ny Comité national malgache de la compagne mondiale contre la faim (CNM/CMCF) (1967-1970)
– Nanangana ny foiben’ny teny eo anivon’ny Akademia malagasy (1993)
– Tompon-kevitra sy namorona ny « Iray volan’ny teny malagasy» (Jona 1993) sady namorona ilay fehezan-teny « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ». (jona 1993).
Nanangona : HaRy Razafindrakoto