Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Tsenaben’ny boky : mila fanohanana ny tontolon’ny boky

$
0
0
TSENABE

Nosokafana omaly teny Antaninarenina ny « Tsenaben’ny boky ». Hetsika enti-mampahafantatra ny zava-misy momba ny boky eto Madagasikara. Nanehoan’ny mpikarakara ny hetahetany ihany koa.

Tsy ampy ny fanampian’ny fanjakana ny tontolon’ny boky eto Madagasikara. Io raha fintinina ny lahateny sy tafa nataon’ny filohan’ny fikambanan’ny editora eto Madagasikara (Aedim) sy ny filohan’ny fikambanan’ny mpikanto teny sy soratra (FMTS), omaly. Anisan’ny olana goavana ny fanapariahana ny boky. Lehibe i Madagasikara, ka tsy ho vitan’ny Aedim sy ny FMTS ary ireo fikambanana na olona tsotra ny fanapariahana ny boky ivelan’ny tanàn-dehibe, raha ny fanazavan’izy ireo.

Ny lalana eto Madagasikara, saika ratsy ny ankamaroany. Zara raha misy toerana famakiam-boky, toy ny tranomboky, foibe kolontsaina isan-karazany, sns, manerana ny Nosy. Nasongadin’ireo nandaha-teny, omaly, rahateo fa na eo aza ny fandrosoana isan-karazany, mbola tena tia mamaky boky ny Malagasy, fa olana hatrany ny tsy fahampian’ny fanapariahana.

Manjary mirotsaka manao ny asa tsy tokony hataony ny editora raha ny fanazavan-dRazafintsalama Marie Michèle, filohan’ny Aedim. Anisan’ireny ny hetsika « Boky mitety vohitra ». Teo koa ny fitetezana sekoly any ambanivohitra hampahafantarana ny boky azon’ny mpianatra ampiasaina, sns.

Marihina fa nomena lanja bebe kokoa ny boky voasoratra amin’ny teny frantsay tamin’ity andiany faha-12 ity. Na izany aza, ahitana boky amin’ny fiteny hafa ihany koa eny an-toerana. Mahasahana sehatra maro rahateo ireo karazam-boky ireo.

Nisy 1mn fahanginana nahatsiarovana an-dRahaingoson Henri na i « Di… » ny fotoam-panokafana ny « Tsenaben’ny boky » teny Antaninarenina omaly.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503