Tontosa, omaly, ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitra vonimaika nisahana ny kolontsaina sy ny asa tanana ary ny vakoka, Andriamosarisoa Jean Anicet sy ny minisitra vaovao, Rabenirina Jean Jacques. Anisan’ny nasongadin’ny minisitra vaovao tamin’izany ny hanomezan-danja ny « festival » sy ny fikajiana ny vakoka ananan’i Madagasikara mba hisarihana mpizahatany ho tonga maro. Tahaka izany koa ny asa tanana. Omena lanja ny « art » malagasy. Nanteriny ihany koa ny hanohizana ireo asa efa natomboky ny teo aloha.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto