Hanana endrika miavaka ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra amin’ity taona ity. Hanatanteraka « Tafo iraisana » ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (ComNat Unesco) amin’ny alalan’ny foibe famakianteny sy tahirin-kevitra (CDesco) ao aminy sy ny Association des professionnels des bibliothèques et de l’information (APBIM).
Anio maraina, etsy Behoririka foiben’ny Com.Nat Unesco, hisy ny atrikasa handinihana izay fomba hanomezana aina vao indray ireo tranomboky any an-tsekoly. Hanairana sy hampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fanabeazana ny amin’ny tokony hananan’ireny tranomboky any an-tsekoly ireny ny fenitra (fitaovana, olona nofanina momba ny fitantanana tranomboky…) hahafahany mamaly ny filan’ny mpianatra. Maro rahateo ireo olona na sekoly mangataka ny hisian’ny tranomboky any aminy.
Fizarana faharoa amin’ny « Tafo iraisana » ny hanatanterahana ny varotra fampirantiana, takalo ary famakian-teny ny 27 ka hatramin’ny 29 avrily izao. Hetsika hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny CDesco Behoririka hatrany.
HaRy Razafindrakoto