Quantcast
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Avy nihodina tany Frantsa : nahavita seho goavana fito ry Sisca

Image may be NSFW.
Clik here to view.
SISCA

Niainga teto ny 29 febroary i Sisca sy ny tarika iray manontolo. Tafaverina an-tanindrazana kosa izy ireo ny 17 avrily teo, rehefa avy nanatontosa seho goavana fito tany Frantsa. Saika nandalovan’ny tarika avokoa ireo tanàn-dehibe malaza amin’ny fety gasy ao Frantsa, toa an’i Toulouse, Rennes, Marseille, Lyon, Bordeaux, Limoge ary Paris, mazava loatra. “Hipoka hatrany ny efitrano nandritra ireo seho ireo. Tsy ny teratany malagasy monina any ivelany ihany no tonga tao, fa nahitana vazaha maromaro ihany koa. Teo koa ireo mahorey izay monina any Frantsa, anisan’ny mpankafy ny mozikan’i Sisca”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny tarika.
Anisan’ny tombony ho an-dry zareo ny nahafahan’ny mpikambana rehetra niaraka tamin’ity fivoahana ity. Nahatratra 13 mianadahy mantsy ireo mpitendry sy mpandihy niara-dalana tamin’i Sisca. Nisy tamin’ireo seho ireo nampiarahan’ny mpikarakara ny tarika Sisca tamin’ireo mpanakanto malagasy hafa, toa an’i Janga Ratah, D’Alvis ary Belalahy. Anisan’ny tena nankafizin’ny mpijery ny salegy nentim-paharazana izay mampiavaka an’i Sisca, asongadiny anatin’ireo hira toy ny “Tara baly”, “Môma m’godro”, sns.
Avy hatrany dia hiatrika ny fitetezam-paritra eto an-tanindrazana ny tarika Sisca. Hihazo an’Antsiranana sy Mahajanga izy ireo, ny volana mey izao. Hampahafantarina ny mpankafy mandritra ny fitetezam-paritra ireo hira vaovao ao anatin’ny rakikira fahenina, izay hivoaka ny alatsinainy izao. “Tour-nao koa” no lohatenin’ity rakikita ity, izay efa mandeha amin’ny haino aman-jery ny santionany, ahenoana gadona maroloko. Ankoatra ny eto an-toerana, mbola hihazo an’i Mayotte sy Anjouan i Sisca sy ny tariny.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503