Mitohy hatrany ireo hetsika samihafa enti-manamarika ny fanatontosana ny fihaonana antampon’ny frankofonia andiany faha-16, eto amintsika ny volana novambra izao. Anisan’izany ny lalao antsoina hoe “Quizz Ikoizana”, karakarain’ny delegasiona jeneraly manomana io fihaonana io, miaraka amin’ny tambajotran’ireo Alliances françaises eto Madagasikara.
Miantefa amin’ny tanora 13 hatramin’ny 18 taona ny lalao “Ikoizana”, hotanterahina any amin’ireo Alliances françaises any amin’ny renivohi-paritany teo aloha (Antananarivo, Fianarantsoa, Antsiranana, Toliara, Mahajanga, Toamasina), miampy ny any Antsirabe. Araka ny maha “quizz” azy, fanontaniana no apetraka amin’ireo mpifaninana.
Tanjon’ny lalao “Quizz Ikoizana” ny hisarihana ny tanora Malagasy ho liana sy hahafantatra bebe kokoa ny frankofonia. Araka izany, mahakasika ny tantaran’ny frankofonia, ny politikany, ny toekaren’ireo firenena mpikambana ary ny kolontsainy ny fanontaniana hapetraka.
Efa nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 28 mey izao ny fisoratana anarana amin’ity lalao ity. Misy ny taratasy hofenoin’ny mpifaninana, alaina any amin’ny Alliance française akaiky azy.
Hatao ny 11 jona izao ny fifanintsanana voalohany isaky ny renivohi-paritany sy ny any Antsirabe. Arahin’ny dingan’ny manasa-dalana, ny 16 jolay, sy ny famaranana, ny 23 jolay, samy any amin’ireo toerana ireo. Hotanterahina eto Antananarivo kosa ny dingan’ny famaranana nasionaly. Ho fantatra ao aoriana ny fotoana hanaovana ity farany.
Landy R.