Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an’ny boky, tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (ComNat Unesco), Behoririka, ny fizarana voalohany amin’ny hetsika « Tafo iraisana ». Ny 27 ka hatramin’ny 29 avrily izao kosa ny tapany faharoa, izay hiavaka tanteraka amin’ireo hetsika rehetra efa nisy hatramin’izay ho fampitiavana sy ho fampiroboroboana ny vaky boky. Mandritra ireo andro telo ireo, afaka mitondra ireo boky tiany hatakalo ny olona tsirairay. Azony atao tsara ny manakalo (mifanakalo) izany amin’ny boky hafa izay heveriny fa ilainy any aman’ olon-kafa. Ao amin’ny efitrano malalaky ny CDEsco ao amin’ny foibe Com Nat Unesco Behoririka hatrany.
Ankoatra io takalo na fifanakalozana io, hisy ihany koa ny varotra fampirantiana boky mandritra ireo andro telo ireo. Ao ihany koa ny toerana na faritra hahafahana mamaky boky ho an’izay tsy afaka manao izany noho ny antony samihafa. Amin’ireo hetsika rehetra ireo, afaka mandray anjara avokoa na ny mpanoratra, mpamoaka boky, mpamaky boky , olona tsotra, sns.
HaRy Razafindrakoto