« Mampiaina sy mampitempo ny bagasy ao am-pon’ny Malagasy ». Dingana sy tanjona anisan’ny omen’ny Sehatra BaGasy lanja io. Sokafana, rahampitso tolakandro ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny taom-pikatrohana 2016 ho an’ity sehatra ivondronana tarika maro ity. Anisan’ny handray anjara amin’izao fampisehoana fanokafana izao ny tarika Tsi-Ahy, Angola Itokiana, Tafasiry Kolo Kanto, Karoka-Dinarson, Judh Gasy ary Zanakantitra.
Raha ny fanazavan-dRasolondraibe Jeannot, filohan’ny Sehatra BaGasy, ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fanamarihana ny faha-5 taona no hanatanterahana velakevitra arahina fifanakalozan-kevitra ho fanapariahana ny bagasy. Hisy ihany koa fitadiavana izay ho paika hanakambanana ho vondrona lehibe ireo mpiangaly bagasy.
Marihina fa fiaraha-miasa ny Sehatra BaGasy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny seho tanterahina etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely isaky ny alahady farany amin’ny volana tahaka izao.
HaRy Razafindrakoto