Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Nodimandry i Prince… : nifarombahana ny nividy ny rakikirany, omaly

$
0
0
PRINCE

Nodimandry ny alin’ny 21 avrily, teo amin’ny faha-21 taonany i Prince. Mifamahofaho ny vaovao mahakasika ny tena nahafaty ity mpanakanto ity. Ny vaovao ôfisialy aloha, voan’ny gripa ary efa niditra hopitaly i Prince. Araka ny nambaran’ny gazety boky TMZ kosa, maty noho ny zava-mahadomelina be loatra izy.
Mazava loatra fa niraradraraka ny fanehoana fiaraha-miory sy ny alahelo, avy amin’ireo mpankafy maneran-tany. Ho porofon’ny fankafizan’ny maro an’i Prince, niakatra be ny fividianana ny hirany tamin’ny alalan’ny iTunes, sy ny fanjifana ireo rakikirany mbola nisy tavela teny amin’ny toeram-pivarotana.
Ilay hira “Kiss” sy “Purple Rain” no tena be mpividy indrindra, manomboka any Etazonia ka hatrany Afrika Atsimo. Ny “Very Best of Prince” kosa no rakikira be mpanjifa omaly, tany Frantsa, Belzika, Canada, Royaume-Unis, Brésil, sns.
Mpanakanto nanan-talenta teo amin’ny hira, kanefa efa nilomano tao anatin’ny sarimihetsika ihany koa i Prince. Nambaran’ireo mpanao gazety ho “nihantsy” tamin’ny alalan’ny mozikany izy, ary nitondra loko hafa ho an’ny “pop” toa an’i Michaël Jackson ihany koa.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503