Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Horonantsary – RFC : maro ireo nankasitrahana sy notolorana « Zébu d’or »

$
0
0
RFC25AVRIL

Nifarana tanteraka, ny asabotsy teo, ny andiany faha-11 amin’ny « Festival Rencontres du film court » (RFC), hetsika lehibe indrindra miompana tanteraka amin’ny sarimihetsika eto amintsika. Nampiavaka, ity andiany ity, ny nanolorana fankasitrahana sy « Zébu d’or » olona maromaro, ankoatra ireo nandresy tamin’ny fifaninanana.

 

« Tonga amin’ny fahamatorana ny sarimihetsika malagasy », hoy i Laza, mpitarika ny fikambanana Rencontres du film court, mpikarakara ity « festival » ity, nandritra ny lanonam-pamaranana ny «festival », ny asabotsy tolakandro teo. Maromaro ireo nitondra ny anjara birikiny nahatrarana izany ary nankasitrahana manokana sy notolorana « Zébu d’or ».

Tsy iza izany fa Rabearivony Sariaka, tompon’andraikitry ny serasera, nandritra ny fito taona, teo anivon’ny fikambanana ; i Colin Dupré, mpandrindra ny hetsika ara-kolontsaina ao amin’ny IFM izay handao an’i Madagasikara ary i Thomas Lesourd, anisan’ny mpampiofana.

Mikasika ny fifaninanana, norombahin’i Mahamoud Ibrahim, teratany Kaomaorianina, tamin’ny alalan’ilay horonantsary « Escale à Pajol » ny « Zébu d’or », sokajy fanadihadiana. Nankasitrahana manokana kosa ny « Vaky bal » an’i Dianah Mesmine. Eo amin’ny sokajy « fiction », lasan’i Zahir-Houssen Firoza, tamin’ny « Maud d’elles », ny « Zébu d’or » raha toa ka ilay teratany Maorisianina, Azim Moollan no nandrombaka izany, tao amin’ny sokajy « animation », tamin’ilay horonantsary « Rog zegwi dan pikan ».

Tsiahivina hatrany fa nisokatra ho an’ny mpanatontosa aty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana ny fifaninanana ho an’ny sokajy horonantsary fanadihadiana sy « animation ». Mbola hiitatra amin’ny sokajy « fiction » izany, amin’ny andiany manaraka.

Nanana ny safidiny ireo ankizy mpitsara

Marihina fa, ankoatra ny matihanina nitsara ny lalao, tato anatin’ny efa-taona izay, nisy ihany koa ny « jury jeunes » na ankizy sy tanora nisafidy izay horonantsary heverin’izy ireo fa tsara. Nankasitrahana ihany koa ireo ; ny horonantsarin’i Patrice Canabady (L’ombre de Ratsitatane, sokajy fanadihadiana), ny an’i Tojoniaina Rajaofera (Da tsisy da, sokajy « animation »), ary ny an’i Josua Hotz (Nirin, sokajy « fiction »).

Nanomboka omaly, azon’ny olon-tsotra atao tsara ny misafidy ny « film » tiany, amin’ny alalan’ny fandefasana sms. Hotolorana « prix du public » ireo be mpifidy indrindra. Marihina fa halefa ao amin’ny fahitalavitra Kolo TV ireo horonantsary.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503