Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Boky sy antsa tononkalo : hanolotra ny « Vaovao mahafaly » i Avelo-Nidor

$
0
0
AVELONIDOR

Fahasahiana milaza ny zava-misy amin’ny alalan’ny asa soratra! Anisan’ny mampiavaka an’i Avelo-Nidor io rehefa mby ao aminy ny aingam-panahy. Tsy manalavitra izany ireo tononkalo 77 voarakitra ao anatin’ny boky « Vaovao mahafaly » havoakany, rahampitso, mandritra ny antsa tononkalo hotontosaina etsy amin’ny tranompokonolona Analakely, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

Fanontaniana marobe no nezahin’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity valiana na mipoitra amin’ny alalan’ny tononkalo. Anisan’izany ny hoe : Marobe ny fiangonana mitsangana etsy sy eroa, kanefa arakaraka ny fisian’ireny no mampiletsy ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny maha malagasy… Fa nahoana ? Sao mba tsy tokony hivavaka amin’Andriamanitra intsony isika fa hivavaka amin’ireo mpanao politika ireo ? Nomarihiny anefa fa tsy fanehoan-kevitra no ataony fa teraka ho azy ao anaty tononkalo izy ireny.

Hibahan-toerana kokoa amin’ity antsa tononkalo ity ny fiainam-pirenena. Ampahany amin’ireny ny « Fanariam-pako » izay milaza fa zary Andralanitr’izao tontolo izao i Madagasikara. « Fisa » (firenena sahirana), hipoiran’ny fanontaniana : ahoana ny fomba hialan’i Madagasikara amin’ireo vahiny sy ny fanampiana omeny ? « Io ilay manafaha anay amin’ny ratsy », hoy i Avelo-Nidor.

Hifarimbona hiantsa ny tononkalo miaraka amin’ny mpanoratra, ireo mpiray faribolana Sandratra sy mpanoratra hafa ivelan’ity fikambanana ity. I Belah sy Felaniary kosa no handravaka ny antsa.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503