
Mitohy hatrany ny lalana ho an’i Jirah. Fantatra mantsy fa anisan’ireo mpanakanto nantsoina hanafana ny « Mada Festival Music Tour », izay hotontosaina rahampitso alahady 8 mey, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Coliseum de Madagascar esy Antsonjombe izy.
Seho goavana voalohany ho an’i Jirah eto Antananarivo io. Tsy vitan’izay fa seho ankalamanjana hotontosain’ity mpanakanto zanak’i Sofia ity ihany koa. Faniriany hatry ny ela ny hilahatra amin’ireo mpanakanto andrarezin’ny mozika mafana, ka sedra lehibe ho azy ity seho ity. Anisan’ireo hanafana ny hetsika mantsy ry Tence Mena, Black Nadia, Lôla Elodie, Backom le Rasta, Sistera ary Arnaah.
Mandritra ny anjarany, hitondra ireo hira nahafantarana azy, voarakitra ao anatin’ilay rakikira “Jirah Misôma” ity mpanakanto ity. Anisan’ireny ny “Izay ilay condition”, “Fitiavana fôsika”, sy ny “Mbola tia”, izay navoakany tamin’ny fetin’ny mpifankatia lasa teo.
Zo ny Aina