18 mey, marihina maneran-tany anio ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mozea. Ho an’i Madagasikara, hisy ny fitsidihana ny vohitr’Ambohimanga. Nomarihin-dRaboanary Hanta, sekretera jeneralin’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco fa : « ankoatra ny fitsidihana hotanterahina eny an-toerana, mila fantatry ny tsirairay tsara ny momba ity vakoka iraisam-pirenena ity. Manana ny mampiavaka azy rahateo ny vohitr’Ambohimanga. Anisan’izany ny tontolo manodidina azy sy ny tantarany ». Mifarimbona amin’izao hetsika izao ny « Office du site culturel d’Ambohimanga » (Oscar) « Association des amis du patrimoine de Madagascar», Madagascar National Park ary ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco.
Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, fantatra fa anisan’ny mahasarika olona maro ny hetsika tahaka izao. Tamin’ny taon-dasa, tamin’ny firenena 120, nahatratra hatrany amin’ny 30.000 ireo mozea nahitana fanentanana ho an’ny hasina sy lanjan’ny vakoka.
Anisan’ny tanjona amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mozea ny hampahafantatra fa anisan’ny mandray anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ny fananana azy ireny.
HaRy Razafindrakoto