Tarika anisan’ny nanana ny lazany ! Tsy tazana loatra tao anatin’ny taona maromaro… Ankehitriny, nanapa-kevitra fa hiverina eo amin’ny tontolon’ny zavakanto ny tarika Raberanto…
Hira 30 eo ho eo no hatolotry ny tarika Raberanto ho an’ny mpankafy zavakanto mandritra ny ny seho « Raberanto Mikalo ». Fampisehoana an-tsehatra hotontosaina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny 22 mey izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Amin’izao fiverenana izao, hahazo vahana kokoa ireo hira efa nahafantarana ny tarika hatramin’izay. Na izany aza, hisy koa ny hira vaovao toy ny « Mifohaza » », hoy i Jean Noël, anisan’ny mpikambana mpanorina ity tarika manana ny maha izy azy ity, tetsy amin’ny La Gasytronomia Ampandrana, omaly. Hamerina eny an-tsehatra ireo hira nankafizin’ny olona marobe toy ny « Teo am-bavahady », « Vetson’ny kamboty », sns, indray ry Laingo (zanak’i Sahondra, nanorina ny tarika), Hery Raberanto, Jean Noël…
Anisan’ny hampiavaka ny seho « Raberanto Mikalo » ny eo amin’ny fitendrena zavamaneno. Ankoatra ireo lehilahy mitendry vata maroafitsoka, gitara, amponga maroanaka, zavamaneno ravaka, tovovavy roa, Stelah sy Mirana hitendry ny « violon ». Mbola vehivavy ihany koa i Bouzyh hitsoka ny saksôfôna. Hivoaka mandritra io fampisehoana amin’ny 22 mey io ihany koa ny rakitsary voalohany ho an’ny tarika Raberanto. « Hisy rindrantsary 12 ao anatin’izy io. Nokendrena hanaraka ny teknolojia avo lenta ny nanatontosana azy », hoy Razafinarivo Miary, mpikarakara ny tarika.
Nohamafisin’ny mpikarakara ny tarika hatrany fa ireo matihanina amin’ny fandravahana ny sehatra toy ny Miangaly Feo sy ireo kalaza amin’ny fikirakirana ny jiro sy hazavana ary fanamafisam-peo (Kiki) no hiantsoroka ny lafiny teknika amin’io. Raha tsiahivina, niforona tany amin’ny taona 1979 ny tarika Raberanto.
HaRy Razafindrakoto