“Madagasikara no nitaiza sy nanabe anay, nanome sakafo sy rano, nahafahanay namoron-kira… Ny fihirana tamin’ny teny Malagasy no nahafahanay niakatra tany amin’ny Olympia…”, hoy i Dama, nizara ny faharesen-dahatr’izy enina mirahalahy (Régis Gizavo, Justin Valiha, Ricky, Jaojoby, Erick Manana, Dama), mandrafitra ny tarika Madagascar All Stars, samy efa nitety firenena maro noho ny kolontsaina sy ny kanto nentin’izy ireo.
Mbola samy resy lahatra ihany koa izy ireo fa fotoana izao hanolorana valim-babena an’i Madagasikara sy ny olombelona ao aminy. Efa natomboka tamin’ny taon-dasa izany ary mbola hitohy amin’ity taona ity. Tanjona lehibe indrindra ny hananganana foibe ara-kolontsaina. Saingy, mialoha izany, “tsy maintsy resena lahatra ny Malagasy, ho tia sy hankafy ary hanome lanja ny kolontsainy sy ny zavakantony, amin’ny alalan’ny fizarana izany”, hoy hatrany i Dama.
Araka izany, hanatontosa fampisehoana, fitetezam-paritra, raha ny marina kokoa, i Dama sy Erick Manana. “Savaranonando fotsiny ny hotontosainay mirahalahy fa mbola hisy ny fiarahana amin’ny Madagascar All Stars iray manontolo”, hoy ny fanazavana. Inefatra miantona ny fitetezam-paritra ka efa natomboka tany Ambositra, ny alahady teo, ny andiany voalohany.
Tanàna valo na 10 no hotsidihina isaky ny andiany. Marihina fa hitohy any Toamasina, Moramanga, Mahajanga, Tsiroanomandidy, Fianarantsoa ary Antsirabe ny fitetezam-paritra andiany voalohany. Hotanterahina amin’ny volana jolay ny andiany faharoa, mialoha ny faran’ny taona ny andiany fahatelo ary hofaranana miaraka amin’ny Madagasikara All Stars ny hetsika, amin’ny fiandohan’ny taona 2017.
Marihina fa manohana ity fitetezam-paritra goavana, iarahan’i Dama sy Erick Manana, ity ny orinasa DHL.
Landy R.