Tanterahina ao amin’ny Inalco – 65, rue des Grands Moulins 75013 Paris ny hetsika « Soratonon’2016 », ny asabotsy 21 mey izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Nosafidin’ny mpikarakara manokana ny lohahevitra « Zazakely sambatra » ho fahatsiarovana an’i Véronique de Bourgies sy hitohizan’ireo asa lehibe efa natombony teo anivon’ny fikambanana « Zazakely sambatra ». Tanjon’ny « Soratononina » ny fampitana ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Fampiroboroboana ny teny malagasy.
Marihina fa indroa isan-taona ny fifaninanana. Ny iray, tontosaina mandritra ny fihaonamben’ny teratany malagasy any Eoropa (RNS) sy ny atao ao Paris tahaka izao. Noforonin’ny fikambanana Kolo tamin’ny taona 2003 ny hetsika « Soratononina ». Niova isan-taona ny lohahevitra. Anisan’izany ny fihavanana sy ny firaisankina malagasy, ny mozika malagasy, ny hosodoko malagasy. Ny fitafy malagasy…
Mpiara-miasa (olon-tsotra, fikambanana, orinasa…) maro no mifarimbona amin’ny fanatanterahana azy ity. Anisan’izany ny fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima), Jean Andrianaivo Ravelona, Havatsa-Upem, Dédé Valiha, sns.
HaRy Razafindrakoto