Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Valiha Mikalo » : hampianatra valiha ny Ako Miantefa

$
0
0

Mila mandray andraikitra fa tsy tokony hijanona hatreo amin’ny fametrahana tsikera fotsiny ! « Tena tian’ny Malagasy ny kolontsainy sy ny zavakantony, saingy tsy ampy fampahafantarana izy ireny ka zary toy ny tsy misy manoloana ny tanora », hoy Rasetamalala, filohan’ny fikambanana Ako Miantefa. Ho fanarenana io lesoka io, « hampahafantatra momba ny valiha sy ny tontolony izahay mandritra ny atrikasa « Valiha Mikalo », tontosaina ao amin’ny CGM Analakely ny 11 ka hatramin’ny 15 jolay izao », hoy hatrany izy.

Tafiditra ao anatin’ny atrikasa ny fampianarana valiha miaraka amin’ny solfezy (naoty). Fianarana mandrafitra valiha. Ny fahendrena malagasy tarafina amin’ny valiha… Hofaranan’izy ireo amin’ny fampisehoana an-tsehatra ny atrikasa « Valiha Mikalo » ny tolakandron’ny 15 jolay.

Raha ny fanazavana, omaly, maro ihany koa ny Malagasy indrindra fa ny tanora no niandry ny zavatra tahaka izao. « Tsy tokony hajanona ho hetaheta fotsiny ny fanirian’izy ireo fa ezahina valina araka izay azo atao mba ho tanora manam-pototra ny tanorantsika sy ny Malagasy rehetra », hoy hatrany ny filohan’ny Ako Miantefa.

Fantatra fa aorian’ny hanaovan’izy ireo ny tomban’ezaka amin’ny « Valiha Mikalo », hitohy hatrany ny hetsika hoenti-mampivelatra ny zavakanto sy kolontsaina malagasy.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503