Hanampy isa ireo toeram-pisakafoana sy fialamboly ny Rest’O City etsy 67 Ha. Nisokatra voalohany ny zoma teo izany, ka nisantatra ny “cabaret” tao amin’ny toerana ny fampiarahan-talenta nataon’i Orad Manalina sy i Mbola. Tanjon’ny mpitantana ny Rest’O City ny hanome fahafaham-po ny mpianakavy manomboka ny talata hatramin’ny alahady hariva, amin’ny alalan’ireo sakafo avy amin’ny firenena maro. Hisy ny tolotra manokana mandritra ny fetin’ny reny. I Solo Andrianasolo kosa no hanafana ny “cabaret” manaraka, amin’ny volana jona.
↧