
Feno 10 taona ny fiangonana FJKM Fonja Fiarenana Antanimora. Ho fanohizana ny fitaizam-panahy amin’ireo voafonja, sady ho fanamarihana io vanim-potoana io, manam-pikasana hanorina « Chapelle » vaovao ny Fitandremana fonja Fiarenana Antanimora. Hoenti-manana amin’ny fanaovana izany trano fivavahana izany, hanatanteraka rindrankira ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny tarika Ampifitia sy ny Amam Miray Andrainarivo, ny alahady 29 mey izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Raha tsiahivina, anisan’ny tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hira ara-pilazantsara na hira evanjelika ny Ampifitia sy ny Amam. Manana karazana gadona maro hoenti-manandratra ny voninahitr’Andriamanitra izy ireo. Ahenoina an’izany ny hira « Fifonana », Inty aho », « Fahano ny ondriko », « Eny », « Soa Jeso fa eo Ianao », Tokim-panompoana », sns, an’ny tarika Ampifitia.
Mahatratra12.108.600 Ar ny vola holanina amin’ity fananganana « Chapelle » eny amin’ny fonja Fiarenana Antanimora ity. Heverina ho vita ny volana jolay izany.
Nangonin’i HaRy Razafindrakoto