Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Tantara an-tsary : hanome lanja ireo « mahery fo » ny « Gasy Bulles »

$
0
0
????????????????????????????????????

Hotanterahina eto Antananarivo manomboka rahampitso hatramin’ny 18 jona ny « Gasy Bulles », « festival » tokana eto amintsika, miompana amin’ny tantara an-tsary ranofotsiny. Marobe ny fivoarana sy fanatsarana entin’ny mpikarakara amin’izao andiany faha-12 izao.

Tsirin-kevitra avy amin’ny vondrona tanora mpanao tantara an-tsary ny « Gasy Bulles ». Tanjon’izy ireo ny hampahafantatra bebe kokoa ity karazan-javakanto ity sy hampivelatra ny talentan’ireo mpiangaly izany. Mihamivelatra hatrany ity « festival » ity. Natomboka tamin’ny taon-dasa, ohatra, ny « Sary cover », fanehoana an-tsary ny tononkiran’ny mpanakanto malagasy ka nosafidiana tamin’izany ny an’i Dama. Amin’ity taona ity kosa, notsongaina ny hira fito an-dRolf.

Zava-baovao entin’ity andiany faha-12 ity kosa ny fivelaran’ny hetsika amin’ny tontolon’ny « illustration » na sary ravaka, nahatonga ny hoe « Festival de la BD et de l’illustration ». Haneho ny talentany mandritra ny fampirantiana samihafa ny tanora mpanao sary maherin’ny 40. Tsara ny manamarika fa mihamaro ny vehivavy amin’ireo, izay misy 10 eo ho eo. Tontosaina amina toerana maromaro ny hetsika : ny Mille feuilles etsy Behoririka, ny Institut français de Madagascar (IFM), ny Craam eny Ankatso, ny Alliance française (AFT) ary eny amin’ny Ivotoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) eny Antsahavola.

Toy ny isan-taona, hosokafana amin’ny « Bulles en folie », eny amin’ny AFT, ny hetsika. Ho hafa mihitsy ny amin’ity satria, manodidina ny lohahevitra hoe « super héro » na ireo mahery fo ny fandaharam-potoana rehetra. Araka izany, samy haneho ny santionany amin’ny sanganasany mikasika izany ireo mpandray anjara. Na ny mpikarakara na ny mpanotrona, samy hiakanjo sy hitafy toy ny ahafantarana ireo « mahery fo » (amin’ny BD) ankafiziny ihany koa.

Hosantarina mandritra ny « Gasy Bulles » ny « Ho avy an-tsary »

Mahavelom-bolo ny hoavin’ny tantara an-tsary malagasy. Mihamaro ny lalana ahafahan’ny tanora manatevina ny fahaizany. Toy izany koa ny varavarana mivoha, hivoahany any ivelany any. Hosantarina mandritra ny « Gasy Bulles » amin’ity taona ity, ohatra, ny « Ho avy an-tsary ». Tetikasam-pifanakalozana eo amin’ny tontolon’ny tantara an-tsary sy sary ravaka eo amin’i La Réunion sy Madagasikara izy ity. Mandrindra izany ny fikambanana Cyclone BD, ny IFM ary ny Alliances françaises.

Hanombohana ny tetikasa ny atrikasa arahim-pamokarana na « résidence artistique » ka notsongaina hiatrika izany ny mpanao tantara an-tsary miisa dimy (malagasy ny telo). Intelo miantoana ny atrikasa ka mandritra ny « Gasy Bulles » ny andiany voalohany. Mandritra ny hetsika « Embarquement immédiat » (any Saint-Leu La Réuion, ny volana jolay) sy ny « La semaine de la BD », any Antsiranana amin’ny septambra) kosa ny atrikasa faharoa sy fahatelo.

Aorian’ireo andiana fiofanana ireo, hampirantiana ny vokatra vitan’izy dimy mianadahy. Hisy koa ny famoahana boky iombonana ahitana ireo rehetra ireo.

Landy R.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503