Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Kolontsaina : « Omeo sehatra ny poezia », hoy Ny Eja

$
0
0
KOLONTSAINA

Ny Eja, nanomboka nifantoka amin’ny asa soratra ny taona 1997.  Nanatontosa hetsika maro tao anatin’izay 20 taona latsaka kely izay. Ny traikefa matanjaka ananany momba io tontolon’ny kolontsaina sy zavakanto iray io no niteraka ilay fahatsapana fa mbola tsy mahazo vahana loatra any amin’ny tsirairay ny poezia. « Omeo sehatra ny poezia », hoy izy. Nohamafisiny tamin’izany fa ankoatra ny maha zavakanto azy ity, « tsy azo hamaivanina fa afaka mitaiza vahoaka tsara io poezia io, satria fitaovana mahomby ahafahana mampita hafatra izy ». Mora kokoa ny mandray ny zavatra tian-kampitaina raha manana endrika kanto ny hanaovana izany, raha ny fanazavany hatrany.

Taorian’ny hetsika « Ny Eja sy ny kantony » notontosaina tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely tamin’ity herinandro ity, hiroso amin’ny fanatanterahana « cabaret poétique »      Ny Eja. « Tokony ho any amin’ny volana aogositra any ho any ny hanatanterahana azy ity » . Hifanindran-dalana amin’izany ny hira sy ny fiantsana tononkalo. Marihina fa maro ny asa sorany no nasian’ny mpanakanto feony ka zary tononkira.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503