Ny 11 jolay izao ka hatramin’ny 15 jolay, hotanterahina ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny hetsika « Valiha Mikalo ». Ankoatra ny atrikasa fampianarana mitendry valiha miaraka amin’ny solfezy sy fampisehoana fomba fandrafetana valiha isaky ny maraina, ny zoma 15 jolay hamaranana ny « Valiha Mikalo » no hanehoana antsa tononkalo arahina feom-baliha. Ao koa ny feom-baliha ranoiray. Feom-baliha miaraka amin-javamaneno hafa.
Anisan’ny tanjona tratrarin’ny Ako Miantefa, mikarakara ity hetsika ity ny hampivelatra sy hamerina indray ny fankamamian’ny Malagasy ny kolontsaina sy ny zavakantony. Ho an’ity fikambanana ity, mbola ao anatin’ny Malagasy tsirairay io fitiavana ny kolontsainy io, saingy noho ny tsy fahafantarana azy ireny, zary matoritory izany.
HaRy Razafindrakoto