$ 0 0 Na mbola tsy tapitra aza ny taom-pianarana, nialavoly tanteraka ireo kilonga, tonga nijery an-dry Momota, omaly teny Antsahamanitra. Tratra ny tanjona ho an’ny tarika Raboussa. Tafita sahady ny hafatra ao anatin’ny « Mandrakizay », rakikira vaovaon’izy ireo. « Andao indray hidera ny Tompo e ! ». Maro ireo namaly izany antson’i Rija Rasolondraibe izany, ny zoma teo tetsy Mahamasina. Nafana ihany koa ny « Rock dona be », fampisehoana rock, niarahana tamin’ny tarika Tselatra sy Apost, tetsy Mahamasina, omaly. Tsiliva, anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fisantarana ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe.