Marobe ireo fampirantiana tafiditra ao anatin’ny « Gasy Bulles », « festival » ho an’ny tantara an-tsary, andiany faha-12, nanomboka ny 4 jona teo. Anisan’ny misongadina ny « Dessins en liberté », etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely.
Hita ao amin’ity fampirantiana ity ny sanganasan’ireo mpanao sariitatra miisa 50, samy miasa amin’ny gazety any amin’ny firenen-tsamihafa. Araka izany lohahevitra izany, avoitran’izy ireo an-tsary izay rehetra mahakasika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Anisan’ny manaitra, ohatra, ny sarina hety sy kalachnikov, izay midika hoe na mametra ny vaovao avoakany (« autocensure ») ny mpanao gazety na mivonona ho faty. Eo koa ny sariitatra nataon’i Mazen (libane) ahitana sarin’olona tapahin-doha, arahin’ny soratra hoe « Je pense… donc je ne suis plus », izay maneho hatrany ny faneriterena ny mpanao gazety tsy haneho hevitra.
Hita ao anatin’ity fampirantiana ity koa fa rehefa malalaka ny asa fanaovan-gazety, azo anehoan-kevitra sy itakiana ny zo mihitsy. Hita amin’ny sariitatra nataon’i Dilem (alzerianina), ohatra, ny sarina fiarakodia mirakotra voaly mainty misy maso roa ; sary enti-mitaky ny zon’ireo vehivavy saodianina, tsy mba mahazo mitondra fiarakodia. Misy koa ny sary hanentanana ny rehetra, indrindra ny mpitondra fanjakana, hanamafy ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zavaboahary. Santionany ihany ireo fa mbola maro ireo sary mahaliana ao.
Landy R.