
Feno 10 taona ny niasan’ny Relais des plateaux, eny Antanetibe Ivato. Nisy ny lanonana nentina nanamarihana izany ny faran’ny herinandro teo, ka nanasana ireo eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Nizara mozika narahin’ny tantaran’ny hira i Dama. Maro rahateo ireo mpankafy ny hira “vokatry ny tany”, liana tamin’ny fitantaran’i Dama ny tantara, toy ny tamin’ilay hira “Sariaka”, ohatra. Nosafidin’ny tompon’ny toerana ity mpanakanto ity, noho izy mivoy ny “vokatry ny tany” izay.
“Araka ny anarany, natao ho toerana fandalovan’ireo mpizahatany ny eto. Tianay hatrany anefa ny hananan’izy ireo fahatsiarovana mahafinaritra mikasika an’i Madagasikara”, hoy i A. Thorisen, tompon’ny Relais de Plateaux, nandritra ny nanapahana ny mofomamy mariky ny faha-10 taona.
“Tsy mifidy olona raisina ato izahay, na mpivahiny avy aiza na Malagasy eto an-toerana. Natao ifanaraka amin’ny filan’ny rehetra ny eto”, hoy kosa i Kaloper Buono Beby, mpitantana ny toerana. Araka ny nambarany, tsara fiainga ny taon’ny fizahantany amin’ity, ary tokony hihatsara kokoa raha tsy misy indray ny olana hosedrain’ny firenena…
Zo ny Aina