Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Angon-tahiry : betsaka saingy mila havaozina ireo mozea

$
0
0
TSIPELAMANJA

Manana mozea betsaka sady mahaliana i Madagasikara. Misy aza foibe ara-kolontsaina sy rafitra hafa mahafeno ny fepetra azo iantsoana azy ireo hoe mozea nefa tsy mahalala izany. Ireo no anisan’ny misongadina tamin’ny voalazan’ilay teratany Amerikanina, Paul Michael Taylor, manampahaizana mpikaroka sady « anthropologue » any amin’ny mozea nasionalin’i Smithson any Etazonia, izay mivahiny eto amintsika. Fantatra, araka ny voalazany hatrany, fa misy angon-tahiry avy aty Madagasikara, any amin’ity mozea ity. Anisan’izany ny tsihy, sobika, fanomezana avy amin’ny Mpanjakavavy Malagasy ho an’ny filoha amerikanina tamin’izany fotoana izany. Ilay manampahaizana antsoina hoe W.L Abbott no nanangona ireo, mialoha kely ny nidiran’ny Frantsay teto amintsika.

Maromaro no anton’izao diany izao, izay heveriny fa tombontsoa lehibe ho azy tokoa. Eo aloha ny hahafantatra bebe kokoa an’i Madagasikara sy ny hanangona ny mombamomba ireo kojakoja avy eto amintsika voatahiry any amin-dry zareo. Misy koa anefa ny vinavinan’asa ny amin’ny hananganana mozea any amin’ny Nosy Boraha. Manampy izany ny fizarana traikefa amin’ireo mpikaroka malagasy sy tompon’andraikitra any amin’ny mozea, hoenti-manatsara ireto farany.

Manana mozea sarobidy isika saingy, mila havaozina ny tena antom-pisian’izy ireny, ny tanjony ary ny fomba fiasany. « Tokony hisafidy izy ireny na hanao hetsika samihafa ara-kolontsaina, hisarihana ny mpitsidika, na hirona kokoa amin’ny maha toerana fanovozam-pahalalana sy toeram-pikarohana azy« , hoy hatrany Paul Taylor. Ankoatra izany, mila arovana fatratra ireny tahirim-bakoka ireny. Tsara kokoa raha miroso amin’ny « numerisation » na fanaovana nomerika ireny tahiry ireny sy ny mombamomba ny mozea. Tsara ny manamarika fa nanatontosa seminera niaraka tamin’ireo manampahaizana mpikaroka malagasy i Paul Taylor, nanomboka tamin’iny herinandro iny.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503