Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Tsangan-tononkalo : hoentina etsy amin’ny CGM ny « Tsipelamanja »

$
0
0
TSIPELAMANJA

Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanaon’ny Faribolana Sandratra ho fampiroboroboana ny tontolon’ny soratra. Hoentina etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Tohatohabaton’Antaninarenina ny tolakandron’ny asabotsy 25 jona izao ny  tsangan-tononkalo nampitondraina ny lohateny « Tsipelamanja ».

Hiantsa tononkalo amin’izany i Elodie Rakotovao, Elinivo, Laingontsiky ary Nirindra Rafalimanana. Mpanoratra efatra mirahavavy, mbola tena ao anatin’ny fahatanorany kanefa efa manana izay mampiavaka azy eo amin’ny tontolon’ny asa soratra.

Marihina fa mbola ao anatin’ny volan’ny teny malagasy ny hanatontosana ity antsa tononkalo ity. Ho an’ny mpiray Faribolana, « Isan’andron’ny teny malagasy » ny tokony hiainan’ny Malagasy rehetra ny teny malagasy.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503