Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Sarimihetsika : nodimandry i Bud Spencer

$
0
0
SARIMIHETSIKA

Be vatana fa tsy be resaka. Tsy misy maharesy ary tendan-kanina… Izany no tena ahatsiarovan’ny rehetra an’i Bud Spencer. Nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo ity mpilalao sarimihetsika malaza eran-tany ity, teo amin’ny faha-86 taony. “Lasa tsy nijaly izy, taorian’ny fitsaboana azony teto amin’ny hopitaly”, hoy ny nambaran’ny zanany lahy.
Teratany italianina i Carlo Pedersoli, satria izay ny tena anaran’i Bud Spencer. Ny taranja lomano no tena nampisongadina azy, ary izay rahateo no nahazoany ilay vatana be nampalaza azy. Mirefy 1 metatra sy 92, ary nilanja teo amin’ny 130 kilao teo mantsy i Bud Spencer.
Tena nisongadina tao anatin’ny fotoana nampalaza ny sarimihetsika ny fiarahan’i Bud Spencer sy i Terence Hill. Ny iray goavana, tsotra, matanjaka, tsy be resaka. Ny iray kosa fatsora, be hanihany ary mipitipitika. Niisa 18 ireo sarimihetsika niarahan’izy mirahalahy, ka anisan’ny nalaza ny “Les quatre de l’Ave maria”, “On l’appelle Trinita”, “Deux super-flics”, “Pair et impair”, « Cul et chemise », sns. Nisy ihany koa anefa ireo nampisongadina an’i Bud Spencer irery, toa ny « La vengeance du Sicilien”, “Le cogneur », « Mon nom est Bulldozer », « On m’appelle Malabar », « Banana Joe », sns.
Anisan’ny nampalahelo an’i Bud Spencer ny tsy mba nahazoany fankasitrahana teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Nalaza maneran-tany anefa izany Bus Spencer sy i Terence Hill izany…

Nangonin’i Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503