
Mpanao asa tanana sady mpivarotra izany eny amin’ny « Art malagasy » sampanana Ambohitrimanjaka. Randriamanantsoa Bernard, fantatry ny olona maro amin’ny anarana Ndretsoa. Efa ampolo taona niaina sy nivelona amin’ny asa tanana izy. Nandalo vanim-potoana maro. Nahatsapa zavatra betsaka ihany koa… Resaka nifanaovana taminy.
Gazety Taratra (*) : Firy taona nanaovana asa tanana ianao ? Inona avy ireo asa tanana nataonao nandritra ireo fotoana ireo.
Randriamanantsoa Bernad (Ndretsoa) (-): Efa nanao asa tanana aho na mbola nianatra tany am-pianarana aza, tany amin’ny taona 1992. Telo taona taorian’io, nirotsaka tanteraka tamin’ny fanamboarana valiha. Nanohy sy nanatsara izany nanomboka teo. Saika amboariko daholo ny zavamaneno malagasy, toy ny amponga, korintsana, valiha, tsikadraha, sns.
* Nanao ahoana ny nandiavana izay 21 taona eo amin’ny sehatry ny asa tanana izay ?
– Nifandimbiasan-javatra maro ! Goavana indrindra amin’izany ny fahatsapan’ny mpanao asa tanana rehetra fa rehefa mandalo krizy politika i Madagasikara, simba ny asa tanana malagasy. Taona 2002, taona 2009, tena ratsy ho an’ny asa tanana malagasy. Tsy ireo irery fa ny krizy politika rehetra hatramin’izay mihitsy.
* Tahaka ny ahoana ny fifamatoran’ny krizy politika sy ny asa tanana ?
– Na tsy miantehitra mivantana amin’ny politika aza ny asa tanana, tsy maintsy midona mafy any amin’ny mpanao asa tanana ny krizy politika satria hatramin’izao, mbola tena manana ny lanjany ny fahatongavan’ny vahiny eto amintsika na tsia. Izy ireo aloha hatramin’izao no mpanjifa « lehibe » ny asa tanana malagasy. Vao mipoitra ny krizy politika, mihemotra ny vahiny mpizahatany sy izay te hanao raharaham-barotra momba ny asa tanana. Na tonga aty aza izy ireo, matahotra ny hividy zavatra fa ny vola hohaniny ihany no hoentiny.
* Teo an’elanelan’ireny krizy politika ireny, efa nahita ny anjara masoandrony ve ny asa tanana malagasy ?
– Ny taona 2003 ka hatramin’ny taona 2008 no tena tsara tamin’ny asa tanana malagasy. Tsy ny Eoropeanina ihany no tonga nanjifa ny asa tanana malagasy fa ny Afrikanina, ny Aziatika. Tsy nifidy fa saika nandeha tsara avokoa ny asa tanana malagasy tamin’io vanim-potoana io. Saika nahalafosana 2 na 3 teo ho eo isan-kerinandro avokoa ny karazan-javamaneno namidy tamin’izany. Amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny herinandro, tsy mahalafo na iray aza !
* Ankoatra ny krizy politika, inona ny tena olana sedrain’ny mpanao asa tanana ?
– Ho ahy manokana, inoako ihany koa fa iraisanay mpanao asa tanana ny faniriana hanondrana ny zava-bita. Marihiko fa sady mpanao asa tanana aho no mpivarotra no miresaka eto. Mbola olana anefa hatramin’izao ny vola hoenti-manana amin’izany. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny serasera hoenti-mampahafantatra ny asa tanana ataonay. Fahatelo, mila fiofanana izahay hoenti-manatsara ny tolotra omena ny mpanjifa.
Ho an’ny fivarotana eto amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka indray, mety ho tsara kokoa ny varotra raha somary miroso alohaloha izahay. Izany hoe, mahazo eny akaikikaikin’ny Jumbo Score (Digue).
* Ho anao manokana, sehatra tahaka ny ahoana no efa nodiavin’ny asa tananao ?
– Tena tsy voafaritro intsony ! Misy ny teto an-toerana fa tsy vitsy ihany koa ireo efa lasa any ivelany. Ho avy tsy ho ela (11 jolay ka hatramin’ny 15 jolay ao amin’ny CGM Analakely) ny atrikasa « Valiha Mikalo » miaraka amin’ny Ako Miantefa. Hanatrika azy izany aho, satria ny fiofanana tahaka izany no ilainay mpanao asa tanana. Ny valiha namboarin’ny tanako rahateo anisan’ny hoenti-mampianatra mandritra io fiofanana io.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto