
Gwen Rakotovao, The Dizzy Brains, Fenoamby, mpanakanto samy manana ny maha izy azy ary samy mitana ny fototra maha malagasy. Izy ireo no hiara-hanafana ny « Best of Zama », fampisehoana tafiditra ao anatin’ny « Zama Aix » na fihaonamben’ny Malagasy monina any ivelany.
Ho ambohipihaonan’ny kolontsaina sy ny fahaiza-mamorona eo amin’ny sehatry ny zavakanto malagasy ny « Zama Aix », izay tsy inona fa fihaonamben’ireo teratany malagasy monina any ivelany any, isan-taona. Hotanterahina ny 10 jolay izao, any Aix en Provence izy ity.
Anisan’ireo handray anjara amin’ny fampisehoana, « Best of Zama » i Gwen Rakotovao, mpanao soradihy fanta-daza maneran-tany ary monina any Etazonia. « Initiation », io no lohatenin’ny soradihy hoentiny an-tsehatra amin’io fotoana io. « Initiation », efa nitety tanàn-dehibe maro toa an’i Bangkok, Agadir, Oujda, N’Djamena, Abidjan, Londres, Paris ary tany Bretagne, farany teo.
Nanambara ny fihetseham-pony sy ny hafaliany i Gwen amin’izao fandraisany anjara amin’ny « Zama Aix 2016 » izao, izay ambarany fa fotoan-dehibe iray ihaonany amin’ireo teratany malagasy toa azy. Marihina fa ahitana fifangaroana kolontsaina ny « Initiation », indrindra eo amin’ny mozika andihizana : amerikanina sy mozika malagasy. Apetrak’ity mpanakanto ity ho zava-dehibe ny fampidirana hatrany ny fototra niaingany, ny maha malagasy, amin’ireo soradihy foroniny.
Hifandimby hiaka-tsehatra amin’i Gwen Rakotovao, mandritra ity « Best of Zama » ity ry The Dizzy Brains, tarika mpiangaly rock, tanora dia tanora saingy efa fanta-daza hatrany ivelany any, tao anatin’ny taona vitsy monja. Eo koa i Fenoamby, izay mivelona tanteraka any ampitan-dranomasina any.
Landy R.