Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Fampisehoana « Tsara ny Tompo » : rock entina itoriana Filazantsara

$
0
0
grgroupe

Teraka rehefa noketrehana nandritra ny 2 taona ny rakikiran’ny GR Groupe “Tsara ny Tompo”. Misy hira 10 ao anatin’ny kapila mangirana. Ampiakarina an-tsehatra eny amin’ny CCEsca Antanimena izany vokatra izany ny alahady ho avy izao. Hira mitory Filazantsara amin’ny gadona rock ranoiray mihitsy. “Gadona niainana efa tamin’ny taona 1990 izy io. Efa tamin’izany no nisian’ny tarika ka rehefa niatrika ny fianarana sns, nijanona teo ny mozika. 20 taona aty aoriana, novelomina ny tarika ary izao mirona amin’ny fandresen-dahatra ho amin’ny fitoriana Filazantsara izao”, hoy ny filohan’ny tarika, Geremioh Randrianaivo. Hira rock efa an’ny tarika tamin’ny taona 1990 avokoa ireo, voarakitra any amin’ny Omda, ary novaina ara-pilazantsara amin’izao fotoana izao ny tonony rehetra. “Natao ho an’ny olona rehetra ny fihainoana, ary indrindra ihany koa ny tanora”, hoy ny fanazavana.

Mpitendry matihanina amin’ny fitendrena rock no mandrafitra ny tarika. Anisan’ny hanafana ny fampisehoana i Ken Mage 4, izay efa manana hira ara-pilazantsara “album” iray manontolo mihitsy. Toy izany koa ny tarika Ndriana Ramamonjy, ary Nina Randrianaivo, izay efa tao amin’ity tarika farany ity tany aloha.

 Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503