Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Rap Gasy : haverina an-tsehatra ireo hira taloha

$
0
0
Rap

Rap Gasy Top 50 & Classics”. Hetsika miavaka, ary zava-dehibe ho an’ireo ao anatin’ny tontolon’ny Hip-Hop izy ity. Haka endrika fampisehoana goavana, izay hotontosaina ao Antsahamanitra ny asabotsy 6 aogositra izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro izany.
Araka ny fanazavana avy amin’ny M3Free sy ny Bombrush, izay mpikarakara, hampiakarana an-tsehatra ireo hira nanamarika ny rap gasy nandritra ny taona maro izany. Ho voasolo tena avokoa ireo mpiray andia, nanomboka ny taona 90 hatramin’izao.
Niainga tamin’ilay fandaharana “Bombrush” izay miresaka manokana ny rap gasy ny hevitra. Nisy ny fandaharana ireo hira be mpankafy tao anatin’ny taona iray, ka nahateraka ny “Bomb Rush Top 50 R.G”. Hira notsongaina tamin’ireo no alahatra ao Antsahamanitra amin’io fotoana io. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ny Clan Diosezy, Mista, Takodah & NgahB, Da Hopp, Doublenn, Psykopasy, Buddha El Taga, Karnaz, Tst Baz, Real Fuckin Tamaga, X Crew, Dadlah, Farah, Jiolambups, Outsize Music, Elita, Codex, Ska-J & Jeiz, Roy Rakoto, X-Tah, Ngah Matoa, sns. Marihina fa hisy ny fandefasana horonantsary, “Firenena Hip-Hop”, izay mirakitra


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503