Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Ortana : raikitra ny « Fanorona ho an’ny rehetra »

$
0
0
FANORONA5AOUT

Fanorona, lalao fanaon’ny Malagasy. Somary lefy ihany tao anatin’ny taona maro. Tao anatin’ny volana maromaro, nomena lanja sy hasina indray ny fanorona. Anisany mivohy izany ny Ortana.

Efa misy ihany ny lalao fonorona, eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina hatramin’ny niandohan’ny volana jolay, saingy mbola nangingina. Manomboka ny 8 aogositra izao kosa, hisokatra ny « Fanorona ho an’ny rehetra », karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana). Tanjona ny hampiavala voly ny ankizy, amin’ny maha fialan-tsasatra ny andro, sady hanomezan-danja indray ny kolontsaina malagasy.

Tsy mifidy taona sy fahaizana ny fanaovana fanorona mandritra ity hetsika ity. Araka izany, hizara roa ny fandaharam-potoana ka hisy ny fampianarana ho an’ireo mbola tsy mahay, ny maraina. Hibahan-toerana kosa ny fifaninanana ny tolakandro.

Anisan’ny mampiavaka ny « Fanorona ho an’ny rehetra » ny fampahafantarana ny mpandray anjara ny fifandraisan’ity lalao ity tamin’ny fiainan’ireo razantsika miampy ny fomba fanaovana fanorona. Haharitra 30mn hatramin’ny ora iray izay fampianarana kely izay.  Eo koa ny fanentanana azy ireo hanome lanja sy hitandro hatrany ireo vakoka malagasy.

Misy karazany telo, arakaraky ny fahasarotany, ny fanorona : ny fanoron-tsivy, ny fanoron-dimy, ny fanoron-telo ary ny fanoron-jaza. Tsy hifarana moa ny « Fanorona ho an’ny rehetra »  raha tsy ny 9 septambra izao.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503