Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Na teo aza ny sakana… : raikitra ihany ny “THB Tour” any Mahajanga

$
0
0
????????????????????????????????????

Afaka manantena ireo mpiala sasatra sy ny tompon-tany. Raikitra ihany ny andiany faha-10 amin’ny “THB Tour” any Mahajanga.

Saika foana! Efa nisy ny fanambarana, volana vitsivitsy lasa izay, fa nolavin’ny fiadidiana ny tanànan’i Mahajanga ny hanaovana ny « THB Tour », any an-toerana. Antony maro ny nandavana izany, ka anisan’ny lehibe indrindra ny hoe fitandroana ny tanora sy ny ankizy amin’ny zava-pisotro misy alikaola. Fantatra kosa fa nahitam-bahaolana, izay marimaritra iraisana ihany, ka hotontosaina ny zoma 19 hatramin’ny alahady 21 aogositra izao ihany ny « THB Tour » any Mahajanga.
Andiany faha-10 izy ity, ka ezahina hanana izay hampiavaka azy, raha ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitry ny fikarakarana, tetsy amin’ny foiben’ny orinasa Star Andraharo, omaly.  Eo amin’ny toerana hanatontosana ny hetsika ny tena fanovana lehibe voalohany. Ao amin’ny Sôma Beach, ao amin’ny “Village touristique” taloha mantsy no hanatontosana ny hetsika rehetra.
Hohidina manokana ny toerana amin’io, na tsy misy vidim-pidirana aza ny hetsika manontolo. Ho an’ireo mihoatra ny 18 taona ihany mantsy izany, ka hisy ny fisavana kara-panondro eo am-pidirana. Hisy ihany ny toerana eny an-kilany ho an’ny fianakaviana misy ankizy sy tanora tsy ampy taona, ahafahan’izy ireo misakafo saingy tsy misy zava-pisotro misy alikaola.
Ny zava-dehibe indrindra amin’ny “THB Tour” dia ilay fety anatin’ny mozika. Fantatra fa tsy ho latsa-danja izany amin’ity, satria hampiditra ny ambiansy ny zoma ny tarika Marojoby, izay anisan’ny malaza any Mahajanga amin’izao fotoana izao. Hanampy azy ireo I D’Alvis, aorian’izay. Ny asabotsy, anjaran’ny tarika AmbondronA kosa no manafana ny sehatra. Hamarana ny fety ny alahady kosa i Maître Ruffin sy i Taa-Tense. Mazava loatra fa hiantoka ny fanentanana rehetra eny hatrany ry Honorat sy Eric, ankoatra an’i DJ Nicky Di Manu, eo amin’ny fampandihizana.

Zo ny Aina

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503