Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Sarimihetsika : mampahafantatra ny talentany ny Japoney

$
0
0
FOCUS

Mampahalala an’i Madagasikara, any ivelany any, indrindra any amin’ny fireneny, sady maneho ny talentany eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ry zareo Japoney. Vao mainka manamafy ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’ny tany roa tonta ny ambasadaoro vaovao sy ny ekipany. Porofon’izany, hitohy ny « Focus cinéma Japon », hetsika iray hanasongadinana ny vokatra sarimihetsika japoney. Hotanterahina ny 26 hatramin’ny 28 aogositra izao, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely ny andiany manaraka.

Anisan’ny hanamarika ny fandaharam-potoana, amin’ity indray mitoraka ity, ny fanomezan-danja ny mozika, satria miompana amin’ny mozika sy ny tontolony avokoa ireo horonantsary halefa amin’io fotoana io. Tsy izay ihany ! Anisan’ny hasongadina ihany koa ny mozika malagasy.

Halefa amin’ny fanokafana ny « Focus cinéma Japon » ny horonantsary mitondra ny lohateny hoe « Guitar Madagascar ». Horonantsary lava, momba an’i Madagasikara, izay notontosain’i Takashi Kamei ary nivoaka tamin’ny taona 2014 izy ity. Marihina fa manampahaizana avy amin’ny Université des Beaux arts any Osaka sy Kanazawa ity teratany japoney ity. Ho tonga eto izy amin’ny fotoana handefasana ity sanganasany ity.

Fa « Abraxas », notontosain’i Kato Naoki, « Maestro !» an’i Kobayashi Syoutarou ary « Have a song on your lips » nataon’i Miki Takahiro kosa no halefa ny asabotsy 27 aogositra. Ankoatra ny fandefasana ireo « film » ireo, hifampitafa amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy i Takashi Kamei.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503