Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Isotry : misokatra indray ny Tranompokonolona Isotry

$
0
0
tranompokonolona2

Efa misokatra ho an’ny rehetra ny Tranompokonolona Isotry ankehitriny. Vita ny fanamboarana ny atin’ny trano izay nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nohavaozina ny tafo atiny sy ivelany, ny seza, ny loko…

Azo ampiasaina ny trano amin’ny fotoana mahamety azy na alahady aza. Mahazaka olona hatramin’ny 720 ity toerana ity. Efa misy koa ny fiantsonan’ny fiara voatokana amin’izany. Mitentina 1 000.000 Ar isan’adro miampy jiro 20.000Ar ny hofan’ny toerana raha ny tatitry ny CUA hatrany.
Misy ny dingana tsy maintsy atao ao amin’ny fiadidiana ny tanàna raha hanofa sy hampiasa io Tranompokonolona Isotry io.  Mila mandefa fangatahana any amin’ny ben’ny Tanàna. Raha eken’ny ben’ny Tanàna, alefa mankany amin’ny departemanta misahana ny hetsika kolontsaina etsy Mahamasina hojereny raha malalaka ny toerana ary ekena.
Misy ny vola hofany aloa etsy Tsimbazaza ary misy ny “kits” omena. Entina miverina etsy Mahamasina ny “kits” izay vao manome fahazoa-dalana tanteraka ny kaominina.

Misokatra ho any besinimaro ny trano ary omena vahana amin’izany ny hetsika kolontsaina malagasy, ny fivoriana, ny fivavahana, ny fianarana. Tsy hahazo io toerana io kosa ny resaka politika, raha ny tatitry ny CUA hatrany.

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503