
Raha somary mangingina ny tontolon’ny fampirantiana hosodoko sy kanto araka endrika amam-bika any amin’ny ankamaroan’ireo foibe ara-kolontsaina, mitohy kosa izany etsy amin’ny Is’art Galerie etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Kanto miavaka hatrany no hatosaka ho an’ny mpankafy.
« Avant le présent » ny lohatenin’ny fampirantiana ireo sanganasan’i Léa Mayer, mpanakanto mpanao hosodoko, teratany frantsay. Ampahafantarin’ity mpanakanto ity ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hosodoko : ny fampiasana lokorano eo ambony « plâtre » fisaka. Avoitrany ao anatin’ireo sary kosa ny fahitany ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Eo koa ny tontolo manodidina, ny firafitry ny vohitra.
Tsara ny mampahafantatra fa manana ny mari-pahaizana manokana momba ny sary i Léa Mayer. Izy no nandresy tamin’ny fifaninanana zavakanto, nokarakarain’ny Fondation du Carrefour des arts tamin’ny taona 2012. Azony ihany koa ny loka “Découverte de Rouge-Cloître”, ny taona 2013.
Efa nisokatra, ny alakamisy hariva teo, moa ity fampirantiana etsy amin’ny Is’art Galerie ity ary tsy hifarana raha tsy ny voalohan’ny volana septambra izao. Eto an-toerana ihany koa i Léa Mayer.
Landy R.