Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Herinandron’ny kabary » 2017 : hatao any Toamasina

$
0
0
KABARY

Tontosa tany Mahajanga ny faran’ny herinandro teo ny « Herinandron’ny kabary » 2016. Raha ny vaovao tapaka nandritra ity hetsika karakarain’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (Fimpima) isan-taona ity, any Toamasina indray no hanatanterahana ny « Herinandron’ny kabary » amin’ny 21 ka hatramin’ny 27 aogositra 2017.

Fanapahan-kevitra niraisan’ny rehetra ihany koa ny hamoahana boky iombonana ho an’ny fampianarana kabary. « Natokana ho an’ny mpampianatra izy io ka hisy boky hivoaka isan-tsokajy. Izany hoe, fandaharam-pianarana isaky ny sokajy no voarakitr’ireo boky ireo », hoy i Hanitra Andriamboavonjy filohan’ny foibem-pirenen’ny Fimpima maneran-tany.

Hotohizana ihany koa ny fandraisan’ny Fimpima anjara amin’ny hetsika momba ny tenindreny hatao ny 21 febroary 2017. Ny 3 jona 2017 kosa no hanatanterahina ny « Alin’ny mpikabary » eto Antananarivo. Hetsika fanokafana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». « Fanokafana ihany io fa samy manana ny endrika hankalazany azy ny isam-paritany »,  hoy hatrany ny filohan’ny Fimpima.

Fantatra fa tao anatin’izay 10 taona nanatontosana ny « Herinandron’ny kabary » izay, ity notontosaina tany Mahajanga ity no nahavory olona maro indrindra. Marihina fa ankoatra ny avy eto an-toerana, tonga tany an-toerana ihany koa ny avy any ivelany.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503