Hiara-hientana amin’ny fanamboarana ny Tranompokonolona Analakely ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny Federasion’ny mpanao teatra eto Madagasikara (FMTM). Izay no tapaka nandritra ny fihaonan’izy ireo, omaly, araka ny nambaran-dRavaloson Mbato.
Ny zoma teo, tonga nanamboatra sy nanolo ireo lamban-tsehatra ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny mpikambana ao amin’ny FMTM. Nandritra izany asa izany anefa, nianjera ny ampahany amin’ny tafo, izay efa simba sy lo. Nanoloana izany, nanapa-kevitra ny CUA fa hakatona aloha ity toerana ity mpandra-pahavitan’ny asa fanamboarana.
Fa vokatr’izay rehetra izay, nahemotra amin’ny fotoana mbola tsy fantatra ny fampisehoana teatra, saika hataon’ny tropy Taratra, ao amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny alahady tolakandro teo. Tsy vitsy ireo mpankafy, efa nahazo tapakila, niverim-potsiny raha nahita ny filazana teo am-baravarana, tamin’io fotoana io.
Nomarihin’ny FMTM fa azo amboarina tsara io tafo io. Izany hoe, tsy tokony haharitra ela ny fotoana hanakatonana ity hany sehatra ho an’ny teatra ity. Tamin’iny faran’ny herinandro iny ihany, nangataka fihaonana tamin’ny tompon’andraikitry ny CUA izy ireo. Tanjona ny hitadiavana vahaolana haingana ary izao niafara amin’ny fiaraha-mientan’ny roa tonta izao: anjaran’ny CUA ny manamboatra ny tafo. Efa vonona hanolo ireo kojakoja samihafa ao anatiny kosa ny FMTM.
Tranompokonolona Analakely, vao notokanana
Tsara ny mampahatsiahy fa vao tamin’ny taona 2013 no nasiam-panamboarana sy notokanana tamim-pomba manetriketrika ity Tranompokonolona Analakely ity. Ny mahagaga, telo taona aty aoriana, hita fa misy sahady ny fahasimbana. Tsy nanara-penitra ny fanamboarana sa natao peta-toko?
Rehefa hita fa tsy azo ampiasaina intsony ny Teatra monisipaly Isotry, izay hoe hamboarina ankehitriny, nomena ny mpanao teatra ny Tranompokonolona Analakely. Faly izy ireo ary vonona ihany koa hanamboatra ireo kojakoja ao anatiny, toy ny haingon-tsehatra sy ny jiro isan-karazany.
Tetsy ankilan’izay, tapa-kevitra ny FMTM fa hikarakara fampisehoana teatra misesisesy amin’izay ary samy efa nivonona tamin’izany ireo mpikambana. Tropy fahatelo saika hisehatra, tao amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny Taratra, izay tokony nilalao ny “Sirina”, ny alahady teo.
Manoloana ity fanakatonana ny toerana ity, toy ny sosoa notapohan-drano indray ireo mpiangaly teatra, miandry fatratra ny fahavitan’ny asa.
Landy R.