Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Nahomby ny tany Toamasina… : efa miandry ny “Sômarôho 2016” i Nosy Be

$
0
0
SOMAROHO

Seho telo samy hafa, samy hipoka olona sy nafana avokoa. Vetivety dia niparitaka ny vaovao fa tena fahombiazana tanteraka ny “Sômarôho!” tany Toamasina. Ny alin’ny zoma lasa teo efa nahoraka fa nafana ny fiarahan’i Wawa sy i Luyanna an-tsehatra. Tonga maro, araka izany ireo mpankafy ny asabotsy, nameno ny kianja mitafon’i Soavita. Mbola nibosesika ihany koa izy ireo ny alahady, tao amin’ny kianjabe, satria sady te hijery an’ity mpanakanto vahiny nohafaran’i Wawa ity no efa niandry ela  ny “Sômarôho” ihany koa. Naneho fankasitrahana tanteraka ireo mpankafy any Toamasina mihitsy i Wawa tao amin’ny pejy “Facebook”, satria sady fahombiazana no nilamina tanteraka ny fiarahana.
Fantatra ihany koa, fa efa vonona ny fikarakarana rehetra, handraisana ny ivon’ny “Festival Sômarôho 2016”, any Nosy Be. Tao no nanomboka ary mbola any Nosy Be no malaza indrindra ity hetsika ity. Toy ny mahazatra, hisokatra rahampitso, amin’ny alalan’ny “carnaval” lehibe hamakivaviky ny tanànan’i Hell Ville izany. Hihazo ny kianjan’Ambodivoanio ny “carnaval”, izay hanaovana ny lanonam-panokafana. Hotontosaina ny alin’io kosa ny alim-pandihizana fanokafana ny hetsika, izay hafanain’i Din Rotsaka.
Mpanakanto vahiny sy malagasy maro no nasain’i Wawa sy ny komity mpikarakara tamin’ity.
Hanomboka ny alakamisy 5 aogositra ny andiam-pampisehoana, isaky ny alina. Hisantatra ny sehatra ry Christian LDV, Bram’s DS, Black Nadia, Papou, Kapepeky, Lico Kininike ary Théo Rakotovao. Hotohizan-dry Mess, Mea, Maurin, Afro Style, Dah Mama ary Vaiavy Chila izany ny zoma. Anjaran-dry Jovial, Jazz MMC, Big MJ, DJ Lakouss, Janga Ratah, Legendry ary Jerry Marcoss kosa ny asabotsy. Ny alahady ny tena seho goavana andrasan’ny maro, satria i Wawa hatrany no mamarana amin’io. Hampiakariny an-tsehatra eo ihany koa ireo vahiny avy any ivelany, i Bacoili sy i Luyanna. Araka ny fandaharam-potoana, manaja ny maha “festival” azy ny hetsika satria voasolo tena ny karazana mozika maro. Misy ireo tarika vao misondrotra ary maro koa anefa ireo efa malaza hatrany ivelany.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503