Hangingina ireo sehatra lehibe fanaovana fampisehoana amin’ity faran’ny herinandro ity. Na izany aza, tsy ho tapi-dalan-kaleha akory ireo mpankafy mozika. Misy ny seho miavaka miandry azy ireo. Tsy inona izany fa ny fiverenan’i Balita Jaaly Marvin, na i Balita, an-tsehatra. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa atao hoe “Fampiroboroboana ny tontolo ara-javakanto ho tombontsoan’ny olom-pirenena” ity fampisehoana ity.
Mitondra ny lohateny hoe “Stop ana’ndray zao” ny fiakarana an-tsehatra hotanterahin’i Balita Marvin, etsy amin’ny Is’Art Galerie La Teinturerie etsy Ampasanimalo, anio alina. Fotoana iray ihaonana indray amin’ny mpankafy, izay efa mangetaheta ny hiaina indray ireo mozika mampiavaka an’i Balita, ity, araka ny nambaran’ito mpanakanto ito.
Tsiahivina fa ny taona 2012 no nahitana farany azy an-tsehatra. Na teo aza izany fanginana izany, miara-dalana aminy hatrany ny mozika sy ny famoronana. Efa misy, ohatra, ny hira vaovao vita rakitsary mandeha any amin’ny fahitalavitra any.
Fa manomana hetsika goavana ho an’ny mpankafy azy i Balita, anio alina. Porofon’izany ny fiarahany hatrany amin’ireo mpitendry matihanina sy fanta-daza.
Landy R.