Namoaka mpikabary 700 ny Mpikabary katolika eto Madagasikara (Mpikalo) tamin’ity taom-pikatrohana 2015-2016 ity ka nisalotra ny anarana Mb Terezin’i Jesoa zazakely izy ireo. Anisan’izany ny avy amin’ny rantsana Amontana, izay vao notsofin-drano.
Notanterahina ny alahady teto ny fitsofan-drano azy 14 mianadahy, mpikabary vao nahavita fiofanana, tao amin’ny rantsana Amontana, fikambanana Mpikalo ao amin’ny Paroasy Notre Dame de l’Assomption Imerinafovoany. Tsiahivina fa natao ny 6 aogositra teo, tetsy Mahamasina, ny famoahana ny andiana mpikabary, milasolatra ny anarana Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, misy azy ireo. Niombonan’ny Arsidiosezin’Antananarivo izany famoahana tamim-pomba ofisialy izany. Hoan’ny rantsana Amontana eny Imerinafovoany, miantsoroka ny fanofanana azy ireo Rafanomezana Henintsoa Rija.
Tsiahivina fa voamieran’asa mijoro eo anivon’ny Fiangonana Katolika ny Mpikalo. Manandratra ny tamba-tsoatoavina : ny maha Malagasy sy ny maha kristianina, araka ny teny filamatra « Andrianiko ny teniko, itoriako ny vaovao mahafaly», izy. Ianarana avokoa ny tontolon’ny fandraisam-pitenenana. Miara-dalana amin’izany ny fandalinana ny tenin’ny Soratra Masina, amin’ny alalan’ny fihatahana masina sy ny fampiofanana manokana.
Landy R.