Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Festival 321 » : hahazo laka ny dihy

$
0
0
????????????????????????????????????

Nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny asabotsy izao ny andiany faharoa amin’ny « Festival de danse 321 ». Araka izany, hanenika ireo foibe ara-kolontsaina maromaro, eto an-dRenivohitra indray ny dihy ankehitriny, mandritra ity herinandro ity ary efa nisantarana izany, omaly, ny teo anoloan’ny Tahala Rarihasina, etsy Analakely.

Raha tsiahivina, famaranana tetikasa iray ho fampiroboroboana ny famokarana soradihy, indrindra ny avy amin’ireo vao miditra amin’izany sehatra izany, ny tetikasa « 321 ». Efa nanomboka tamin’ny volana janoary teo ny fiahiana na « coaching ». Marihina fa miisa 25 ny mpamorona soradihy nisoratra anarana hoahiana ka 16 no naharitra hatramin’ny farany.

Araka izany, anisan’ireo hoentina an-tsehatra, mandritra ity « Festival 321 » ity ireo soradihy ireo. Tsara ny manamarika fa nisy dingana maro ny « coaching » ary ankoatra ny matihanina avy eto an-toerana, nanasa vahiny mpahay soradihy, Bienvenue Bazie, teratany borkinabe, ny mpikarakara ny hetsika.

Hiaka-tsehatra ihany koa ireo mpamorona, noahiana nandritra ny tetikasa « 321 » andiany voalohany. Eo koa ireo vahiny matihanina nasaina manokana. Ankoatra ireo, hanana sehatra manokana koa ny ankizy sy ny vatombatony, izay hita fa hanana ny hoaviny eo amin’ity tontolon’ny soradihy ity.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503