Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Taosary : marisika fa tsy lasa matihanina…

$
0
0
????????????????????????????????????

Mahavariana! Ny ankamaroan’ny mpianatra manao sary, saika vehivavy avokoa. Tranga ahafahana milaza fa raha mbola zaza na ankizy ny olona iray, voasariky ny fanaovana sary ny vehivavy raha oharina amin’ny zaza na ankizy lahy kely. Rehefa tonga eo amin’ilay fotoana tokony hidirany eo amin’ny maha matihanina (mivelona na miasa amina fanaovan-tsary) anefa, saika tsy hita ny ankamaroan’izy ireny fa toa lehilahy no malaza sy fantatr’olona.

Raha ny fanadihadiana nataon’Andriatsihoarana Raoto, filohan’ny fikambanana Tantsary, “ny fidirana ao anatin’ny tokantrano no anisany antony iray goavana mahatonga io tranga io”. “Tsy manam-potoana hanatevenana ny talentany intsony ny vehivavy fa variana amin’ny tokantranony”, hoy izy. Rehefa lehibe ny zaza, izay vao manam-piniavana hanohy ny sary fanaony indray ny vehivavy.

Nomarihiny fa tsy eo amin’ny tontolon’ny taosary ihany no ahitana izay tranga izay fa eo amin’ny fafahandroana sakafo ihany koa. “Zary lehilahy avokoa no tonga “chef cuisinier”, kanefa raha ny fiainana andavanandro sy ny lalana voajanahary, tokony ho ny vehivavy no hakaiky kokoa ny fatana”, hoy hatrany Raoto.

Izay no mahatonga ny vehivavy manao sary hosodoko hisongadina be avy hatrany raha vao tafarotsaka ao anatinn’ny sehatra maha matihanina. Sady tena mahay izy ireny kanefa vitsy!

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503