Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Fotoam-pialan-tsasatra : nahaliana ny fianarana « comédie musicale »

$
0
0
DIHY

Tontosa tamin’ny herinandron’ny 22 aogositra ny fampianarana “comédie musicale”, nokarakarain’ny kaompania Dih’Art etsy Antanimena, izay anisan’ny nanamarihana ny faha-15 taona nijoroany. “Nahafa-po tokoa ny hetsika, satria marobe ireo ankizy, 5 hatramin’ny 14 taona, tonga namaly ny antso. Manodidina ny 40 ny isan’izy ireo”, hoy i Rijamanitra, mpitantana ny toeram-pampianarana.

Niompana tamin’ny lohahevitra hoe “Ny zon’ny ankizy” ny “comédie musicale” nianarana. Navoitra kokoa ny andavanandrom-piainan’ireo ankizy miaina eny ambanivohitra sy ny zo tokony homena azy ireo. Nandravaka izany ny mozika sy ny dihy malagasy. Naharitra efatra andro ny fampianarana ary nofaranana tamin’ny fampisehoana, izay nahafaly tokoa ny ray aman-dreny, araka ny nambaran’ny mpikarakara.

Betsaka ireo maniry ny hitohizan’ny hetsika toy izao, hany ka efa mivonona amin’ny fikarakarana ny andiany faharoa, mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra amin’ny 2017, ny kaompania Dih’Art. Taorian’iny fampianarana ho an’ny ankizy iny, hisy ny fanofanana ho an’ny lehibe, ka ny karazan-dihy rehetra mihitsy no ampianarina. Hotanterahina amin’ny faramparan’ny oktobra izany ary mbola tafiditra hatrany amin’ny fanamarihana ny faha-15 taona nijoroan’ny Dih’Art.

Landy R.   


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503