Arahina ny fandaharam-pampianarana napetraky ny minisiteran’ny Fampianarana, fa ny fomba hampitana izany no amin’ny fomba vaovao. Mifaka amin’ny zavatra hita maso sy azo tsapain’ny tanana ny fampianarana. Ireo zavatra fahitan’ny mason’ny ankizy mpianatra amin’ny fiainana andavanandro ihany no ampiasaina. Anisan’ireny ny vakana, loko samihafa, sns. Ankoatra izay, efa misy fitaovana ampiasaina mifanaraka amin’io fomba vaovao io ihany koa. Miara-dalana amin’io fomba vaovao hoenti-mampita ny fahalalana io ihany koa ny fampitomboana ny isan’ny tenim-pirenena ianarana manomboka eo amin’ny taona faha-6. Anisan’ireny ny teny alema. Mba hananana olom-banona sy mandray andraikitra, ianarana ihany koa ny fomba fambolena, asa tanana, haify, mozika, dihy…
Fantatra fa hiatrika voalohany ity fomba fampianarana vaovao ity, ny eny Soamanandrariny amin’ny alalan’ny lycée privé adventiste Rajoelson Soamanandrariny (Lypars).
Nanangona : HaRy Razafindrakoto