
Nihaona teo anivon’ny fitaizana skoto i Lamborano Mijoro sy Andriatsihoarana Raoto. Teraka avy amin’izany sy ny talenta iraisana ny fanapahan-kevitra fa hamoaka tantara an-tsary (BD) ny fiainana any an-dasy. « Raha ny vinavinanay, amin’ny volana oktobra izao no hivoahan’ny boky « BD Skoto », hoy i Lamborano Mijoro. Boky iray ahitana lohahevitra notsongaina ao anatiny ka avoaka amina tantara an-tsary. Anisan’ireny ny « Mafy loha », « Fikatsahana an’Andriamanitra », « Savony » ary ny « Rano ». Misy « carnet » kely miara-mivoaka amin’ity boky tantara an-tsary ity. Raha ny fanazavan’i Lamborano Mijoro, tao anatin’ny herintaona latsaka kely no namolavolana ny boky « BD Skoto ».
Anisany tombony lehibe amin’ny fivoahan’ity boky ity ny fahafantaran’ny rehetra ny fiainana sy ny fitaizana skotisma. « Hita ao anatin’ny tantara ny fampitan-kafatra, anatra, hatsikana… », hoy hatrany izy.
HaRy Razafindrakoto