
Na efa tapitra aza ny fotoam-pialan-tsasatra, fotoana mahabetsaka ny mpizahatany tonga eto amintsika, tsy mitsahatra mitrandraka toerana kanto sy mahaliana eto Antananarivo ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana). Ho hita taratra izany ao anatin’ny hetsika « J’aime Tana et je le partage », izay midika koa hoe « Tiako Antananarivo ary zaraiko ».
Fifaninanana maka sary ny tena na ilay fantatry ny maro amin’ny hoe « selfie » ity hetsika iray ity. Ny mampiavaka azy ? Misafidy toerana iray izay heveriny fa mahafinaritra indrindra na mahaliana na koa miavaka sy tokony hofantarina eto Antananarivo ny mpifaninana. Nomarihin’ny mpikarakara fa tsy voafetra ny taon’ny olona mahazo mandray anjara amin’ity fifaninanana ity.
« Ho hita taratra ao anatin’ity fifaninanana ity ny fomba fijerin’ny tsirairay an’Antananarivo », hoy hatrany ny mpikarakara. Tanjona ihany koa ny hanangonana karazan-tsary mikasika ity Renivohitr’i Madagasikara ity. Alefa ao amin’ny tambajotran-tserasera « Facebook » ny sary mifaninana rehetra ka izay be mpitia na maro mpanao « j’aime » indrindra no hibata ny fandresena sy ny loka lehibe.
Landy R.