
Tsy ny olon-tsotra ihany fa ny relijiozy koa, liana amin’ny fianarana kabary. Manaporofo izany ny fahitana relijiozy tamin’ireo andiany « Mb Terezin’i Jesoa Zazakely », tao amin’ny rantsana Vonona etsy amin’ny Ekar Md François d’Assise etsy Andravoahangy. Midika izany fa tsy voafetran’ny taona, ny maha lahy na vavy na koa ny asa sy adidy iandraiketana, ny fianarana kabary sy ny fikabariana mihitsy.
Marihina fa tontosa ny alahady teo, tao amin’ity Ekar ity ihany, ny fitsofan-drano ireo mpikabary miisa 21 mianadahy, avy amin’ny fikambanana Mpikabary katolika na Mpikalo. Taorian’ny fotoam-pivavahana, niara-nikorana tao amin’ny espace Culturel Père Jean Du Mouza izy ireo. Lanonana nanasongadinana bebe kokoa ny maha Malagasy. Ankoatra ny kabary, naneho ny talentany amin’ny dihy, ny seho an-tsehatra, ny tononkalo, ny kalon’ny fahiny, sns, ireo mpikabary.
Tanjon’ny Mpikalo ny hitaona ny olona hanana fitondrantena maotina sy mendrika, araka ny nambaran-dRatojoniriana Lovasoa Michel, mpampianatra kabary ao amin’ny rantsana Vonona Andravoahangy. Hiatrika fiofanana dingam-panamafisana indray moa ireo mpikabary avy notsofin-drano ireo mba hanatevenana ny fahalalana efa azony.
Hanomboka ny 23 oktobra izao kosa ny taom-pikatrohana vaovao ao amin’ny Mpikalo rantsana Vonona. Teny fanevan’ny Mpikalo ny hoe : « Andrianiko ny teniko, itoriako ny Vaovao mahafaly ».
Landy R.